Canalblog
Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Mangalà Trondro Ao

28 avril 2015

Lamaody

Andao hiresaka lamaody amin'ny teny malagasy e!

Matetika isika be lamaody isany dia toa miangetsana miteny frantsay na miteny anglisy. Toa ao anatin'ny toetoetran'ny mpanara-damaody mihitsy ilay tia miteny vahiny! Tsy dia ifanomezan-tsiny anefa io satria mazàna fitafy avy any am-pita koa moa no antsoina hoe lamaody, ka dia efa ao anatin'ny kolon-tsain'ny tia lamaody mihitsy izany ny fampiasàna teny vahiny.

Na izany aza dia mba manana ny maha-izy azy ihany ny malagasy, tsy hoe manaraka be fahatàny ny haingon'ny vazaha. Na samy didy akanjo avy any ivelany avokoa aza dia misy ny tian'ny malagasy kokoa satria mifandraika amin'ny toetr'andro, amin'ny toe-tsaina na ny fombafomba. Ohatra amin'izany dia ny fitiavan'ny malagasy akanjo mihaja. Mpandeha am-piangonana ny malagasy ary tena miango izy amin'izany, noho izany dia mila akanjo mihaja betsaka izy raha mi-ohatra amin'ny frantsay izay mianjaika amin'ny mariazy sy ny fety lehibe ihany.

Ka andeha re, fara-faharatsiny na tsy mbola hitafy lamba sy hanao tana-voho na hanao malabary fara-faharatsiny mba atao teny malagasy indray ny resaka lamaody? Sa dia efa ohatra ny efa nilaozan'ny toetr'andro tanteraka raha hiteny malagasy?

Publicité
Publicité
Mangalà Trondro Ao
Publicité
Archives
Publicité